Tontolo feno rivotry ny Asaramanitra.
Nankalaza ny faha 62 taona nahazoana ny fahaleovantena ny Malagasy omaly 26 Jona 2022, nihanoka tao anatin’ny fankalazana izany asaramanitra izany ny akamaroan’ny vahoaka, na tamin’ny fomba samy hafa aza no nanehoan’ny tsirairay izany.
Hiverina amin’ny asa fanaony andavan’andro sy ny rotoroto amin’ny fiainana indray ny malagasy manomboka anio alatsinainy 27 jona. Ireo sahirana ara-mpivelona sy tsy an’asa dia ny fitadiavana izay hohanina isan’andro no tena manahirana ny sainy, ka mahatonga azy hametrapanontanina hoe « aiza indray no ahita vola hividianana sakafo anio ?»
Indrisy anefa fa tsy vitsy an’isa no tratran’izany, miaina ao anatin’ny tebiteby sy ahihay ny amin’ny fiainana, mihezaka mitady izay mamiratra fa tsy mahita. Ny mitady asa tsy mahita, ny an’asa kosa indray tratra ny tsindry azolenan’’ireo mpampiasa izay marihina fa vahiny ny ankamaroany. Aiza ary izay andry hiankinany ?
Nandritra izay 62 taona nahazoana ny fahaleovantena izay, dia mpitondra maro no nifandimby samy nilokaloka ny hampandroso an’ny Gasikara , saingy indrisy mbola tsy hafa-bela ao anatin’ny fahantrana ny malagasy. Aiza marina ilay atao hoe fahaleovantena izay tokony hitondra ho amin’ny fandrosoana ka hanala ny vahoaka madinika ao anatin’ny fahasahiranana ?